Close 2023,

Plan 2024

Close 2023,

Plan 2024

Close 2023

Plan 2024

Tsy mety ny fanapahan-kevitra be foana rehefa voalohan'ny taona vaovao ireny. YearCompass kosa no mety—
ho an'ny olona iray tapitrisa mahery eran'izao tontolo izao nanomboka tamin'ny 2012.

Alaivo ny bokikely (maimaim-poana izany!) Hamantatra bebe kokoa

Inona no atao hoe YearCompass?

YearCompass dia bokikely maimaim-poana izay manampy anao hisaintsaina ny taona teo aloha sy hanomana ny manaraka. Miaraka amin'ny andiam-panontaniana sy fampiasana voafantina tsara, ny YearCompass dia manampy anao hamantatra ireo fahazaranao manokana ary hamolavola ny taona mba hiety indrindra ho anao.

Mianara avy amin'ny hadisoanao, mankalaza ny fandresenao ary apetraho ny lalana tianao haleha. Ny hany ilainao dia ora vitsivitsy mangina sy ity bokikelinay ity.

Tsy mety ny fandraisana fanapahan-kevitra be foana rehefa voalohan'ny taona, fa ny YearCompass no mety— ho an'ny olona iray tapitrisa mahery eran'izao tontolo izao nanomboka tamin'ny 2012.

Miaraha aminay ary amboary ilay tena ianao idealy!

1) Fidio ny fiteninao

Tsy hitanao ny fiteninao? Ampio izahay hamorona ny dikanteny!

2) Mifidiana endrika iray

Raha te hameno ny bokikely amin'ny tanana ianao.

3) Mifidiana habe

Bokikely kely, azo aforitra.

Zahao ny torolàlana fanontana-nay raha te hanana traikefa tsy misy adin-tsaina!

Haka ny bokikelinao
(Mamaimaim-poana tanteraka izany!)

Tianao ve ny zavatra ataonay? Tongava mpanohana!

Ekipa kely manana tanjona lehibe ny YearCompass: mitondra fahalalan-tena ho an'ny olona maro araka izay tratra manerana izao tontolo izao. Raha te hanampy anay hanampy ny hafa ianao dia misy fomba vitsivitsy azonao hanohanana anay ireto.

Lasa mpiahy

Efa misy olona nanokan-tena vitsivitsy manampy anay hanohy ny YearCompass amin'ny fanomezana vola 1 dolara isam-bolana amin'ny alàlan'ny tranokalanay Patreon. Mandeha lavitra ireo fandraisana anjara kely ireo. Raha te hanatevin-daharana ny laharan'ny mpiahy anay - ary mahazo tombony amin'ny dingana - jereo ny pejy ao amin'ny Patreon; ho faly izahay mahita anao any!

Tsy hanao na inona na inona

Ankasitrahinay indrindra raha afaka manohana anay ianao fa tsy maninona koa izahay raha tsy afaka na tsy te hanao izany ianao. Efa faly izahay fa tonga eto ianao, mampiasa ilay bokikely, ary manantena izahay fa hahita fiadanana, aingam-panahy ary fahatapahan-kevitra ianao.

Jereo ny hevitry ny hafa momba ny YearCompass